FIhaonambe iraisam-pirenena momba ny Fampandrosoana eto Afrika, andiany faha-5 natao tany Casablanca

3 November 2017

Nifanantona ny firenena roa tonta, Madagasikara sy Maroc, voamariky ny fitsidihana ofisialy nataon’ny Mpanjaka MOHAMMED VI teto amin’ny Nosy tamin’ny volana novambra 2016 izany.

Ny 15 mars 2017 kosa dia niara-nidinika ny Kaonfederasiona Jeneralin’ny Mpandraharaha avy ao Maroc (CGEM) sy ny Vondron’ny Mpandraharaha Malagasy (GEM) izay tahirin’i Ramatoa Noro ANDRIAMAMONJIARISON. Nahafahana nijery sy nanombana ny toe-draharaha ara-toekarena sy ny tetikasam-mpampivoarana azo heverina eo amin’ny sehatra maro samihafa tahaka ny Fambolena, Fiompiana, Tao-trano, Indostria, sy ny fiara-miasa azo atao eo amin’ny firenena roa tonta io fotoana io.

Noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny BNI MADAGASCAR sy ny vondrona ATTIJARIWAFA BANK ao Maroc dia delegasiona manokana mpandraharaha ara-toekarena maherin’ny 30 isa avy amin’ny sehatra tsy miankina eo Madagasikara, teo ambany fitarihin’ny Minisitry ny Indostria Malagasy, Andriamatoa Chabani NOURDINE, no afaka nanatrika ilay Fihaonambe iraisam-pirenena momba ny Fampandrosoana eto Afrika, andiany faha-5 natao tany Casablanca, ny 16 sy 17 mars 2017.

Maneho fahombiazana ny jery todiky ny dian’ny delegasiona Malagasy tany Casablanca noho ny ezaka nataon’ny mpikarakara. Nanamafy ny fifandraisana ara-toekarena eo amin’i Maroc sy Madagasikara izao fifanantonan’ny Kaonfederasiona Jeneralin’ny Mpandraharaha avy ao Maroc (CGEM), ny Vondron’ny Mpandraharaha Malagasy (GEM), ny EDBM, ny BNI MADAGASCAR sy ny vondrana ATTIJARIWAFA BANK izao.