Ireo fomba tsara indrindra hidirana amin’ny BNI-NET

3 November 2017

BNI-NET, ilay tranonkala ifaneraserana eo amin’ny BNI MADAGASCAR sy ny mpanjifany, dia ahafahana mitsidika sy manaraka akaiky ny fizotrin’ny kaontinao. Ahafahana mitantana ny kaonty amin’ny fotoana rehetra sy any amin’ny toerana misy anao rehetra ihany koa.

Raha hiditra BNI-NET ianao dia makà antoka hoe ilay rohy na « lien » tena izy no idiranao :

https://secure.bni.mg/retail/ ho an’ny OLON-TSOTRA

https://secure.bni.mg/corpo/ ho an’ny ORINASA sy FIKAMBANANA

Ho fiarovana anao dia tandrovy ho tsiambaratelo hatrany ny anarana fampiasanao, ary indrindra koa ny teny miafina fidirana amin’ny kaontinao.

BNI MADAGASCAR dia tsy hangataka aminao na oviana na oviana ny anarana fampiasanao na ny teny miafinao.

BNI MADAGASCAR dia tsy handefa mailaka velively na hangataka hiditra amin’ny kaontinao BNI-NET.

Raha mila fanazavana fanampiny momba ny fampiasana BNI-NET dia aza misalasala manantona anay.