
Tranonkala fifanakalozana BNI-NET : atolotry ny BNI MADAGASCAR ho fanamorana ny fiainan’ny mpanjifany
Ho fanamorana ny fiainana andavanandron’ireo mpanjifa ary ho fanavaozana ny fitaovam-pifandraisan’ny banky amin’ny mpanjifa, dia novaina ho BNI-NET, ary nohatsaraina kokoa sy nohavaozina tanteraka ilay tranonkala fifanakalozana izay nantsoina hoe ELIONET fahiny, nanomboka ny 10 aprily 2017.
Ity tranonkala fifanakalozana vaovao ity dia mora kokoa ny fampiasana azy ary mitondra tombotsoa maro isankarazany ho an’ny mpanjifa. Io no iray amin’ny fanavaozana goavana indrindra atolotry ny BNI MADAGASCAR amin’ity taona 2017 ity..
Mba hahafahana mampiasa ity fitaovana vaovao ity dia asaina hanantona ny mpitantana ny kaonty eny amin’ny masoivoho tsirairay nanokafany kaonty ny mpanjifa mba hahazoany ilay teny miafina vaovao entina miditra amin’ity tranonkala vaovao ity.
Fampitandremana !
1. BNI MADAGASCAR dia tsy hangataka na oviana na oviana ny hizaranao ny teny miafina azonao, na ilay taloha na ilay vaovao.
2. Ho fepetra fiarovana dia entanina ianao hanova ilay teny miafina azonao dien’ny fampiasanao azy voalohany, ary hanova azy io matetika sy tsy hilaza izany amin’olon-kafa.