Tolotra fampindramam-bola feno

3 November 2017

Handeha vakansy ihany izahay ! Azoko ihany ny fiara niriako hatrizay ! Azonay ilay trano !… Izany no horakorak’ireo mpanjifa ny tolotra maro samihafa amin’ny fampindramam-bola BNI.

Ny tolotra VAIKA izao dia natao ho an’ireo te hividy fiara na moto vaovao na efa niasa, amin’ny fepetra miavaka. Ny tolotra MALAKY sy VINA kosa dia ahafahan’ny tsirairay manatenteraka ny faniriany, ohatra hividy fitaovana fampiasa an-dakozia, sy ny maro hafa, na koa hanao vakansy miaraka amin’ny fianakaviana.

Misy hatrany ny vahaolana atolotry ny BNI MADAGASCAR ho an’ny mpanjifany manam-pikasana, ary ny hetahetan’ny mpanjifa rehetra no ezahina tanterahina amin’ny alalan’ny tolotra isankarazany.