KRED

KRED

Tolotra natao ho anareo , Mpandraharaha, Mpiasa-tena ary Mpandraharaha madinika

Compte

Tolotra fototra ara-bola sy vahaolana ho an’ny tahiry

Ny zava-drehetra ilaina hitantanana sy hampitomboana ny volanao

PCM

Famatsiam-bola ho an'ny fandraharanao

Famatsiam-bola natao hampandrosoana ny fandraharanao 

Trade Finance picto

Fitaovana nomerika sy fifanakalozana iraisam-pirenena

Vahaolana nomerika hitantanana ny fidirana sy fivoahan’ny vola ary hanitarana ny fifanakalozana
 

Image de fonds S3C1P1 Facilité de caisse
Crédit de trésorerie

Facilité de caisse

Vahaolana haingana amin'ny olana tsy ampoizina amin'ny fitantanam-bolanao 

Inona izany?

Fahafahana mamoaka vola,voafetra, mihaotra noho ny misy ao amin'ny kaonty, mandritry ny fotoana fohy, izay efa voafaritra mialoha 
 

Rehefa inona no misafidy ity tolotra ity ? 
  • Miaritra olana tsy ampoizina amin’ny fitantanam-bola
  • Misoroka fandavana fandoavana
  • Mitazona ny asa tsy misy sakana

Tombony
  • Valiny haingana ho an'ny filàna
  • Tsotra ny fametrahana azy
  • Vidiny voafehy tsy misy fampanantenana maharitra
  • Fiarovana amin'ny fitantanana ny tsy ampoizina
Image de fonds S3C1P2 Découvert autotrisé
Crédit de trésorerie

Découvert autorisé

Vahaolana miaraka aminao rehefa mihoatra noho ny  vola miditra ny fandaniana 

Inona izany ?

Famatsiam-bola   izay mamela ny kaontin'ny orinasanao hibiba mandritra ny fotoana voafaritra, miandry fidiram-bola efa fantatra.

Nahoana no misafidy ity tolotra ity?
  • Mitantana ny tsy fitovian’ny vola miditra sy mivoaka
  • Misoroka fandavana fandoavana
  • Mahazo fahafahana mihetsika bebe kokoa

Tombony
  • Tsotra ny fametrahana azy
  • Haingana sy malefaka
  • Mitohy tsy tapaka ny asa
Image de fonds S3C1P3 Escompte papier commercial
Crédit de trésorerie

Escompte papier commercial

Mahazoa vola mialoha, tsy mila miandry ny fandoavan’ny mpanjifa.

Inona izany ?

Fampindramam-bola vonjimaika omen’ny banky, miandry ny fandoavan’ny mpanjifa anao ny faktiora 
 

Nahoana no misafidy ity tolotra ity?
  • Hiarovana ny vola miodina ao amin’ny orinasanao
  • Tsy mila miandry ela ny fandoavan’ny mpanjifa
  • Famatsiam-bola haingana, tsy mila miditra amin’ny trosa mahazatra

Tombony
  • Vola avy hatrany eo am-pelatanana
  • Dingana haingana sy mora arahina
  • Ny faktioran’ny mpanjifanao no ampiasaina ho antoka hanohanana ny vola
Image de fonds S3C1P4 ASSN
Crédit de trésorerie

Avance sur stock Nantis (ASSN)

Avadiho ho vola azo ampiasaina avy hatrany ny tahirin’entanao

Inona izany ?

Fampindramam-bola fohy ezaka ezaka  hanohanana ireo tahiri'entanao. 
Ireo tahirin'entana ireo no atao antoka aty amin'ny banky 

Nahoana no misafidy ity tolotra ity?
  • Manome lanja ny tahiry entana mbola tsy mihodina
  • Mamatsy vola ho an’ny fihodin’ny asanao
  • Mifehy ny fividianana sy ny filàna amin’ny vanim-potoana

Tombony
  • Mahazo vola haingana nefa tsy mivarotra avy hatrany
  • Famatsiam-bola mifanaraka amin’ny fihodin’ny orinasanao
Image de fonds S3C1P5 Crédit de campagne
Crédit de trésorerie

Crédit de campagne

Vahaolana  hanohanana ny asa ara-potoana sy vanim-potoana

Inona izany ?

Famatsiam-bola hanampy anao hanomana, hanombohana, na hanatontosana hetsika famokarana na fivarotana, alohan’ny hahatongavan’ny vola miditra.

Nahoana no misafidy ity tolotra ity ?
  • Miomana mialoha, tsy mila miandry vola miditra
  • Afaka manomboka aloha ny asa na mampitombo ny famokarana
  • Tsy mila mampiasa vola tahiry 

Tombony
  • Famatsiam-bola haingana sy mifanaraka amin’ny filàna
  • Aloavana rehefa vita ny vanim-potoana
  • Mifanaraka amin’ny fihodinanao ara-barotra na ara-famokarana
Image de fonds S3C1P6 Avance sur facture
Crédit de trésorerie

Avance sur facture

Vahaolana hahazoana vola avy hatrany, na dia mbola tsy voaloa aza ny faktiora

Inona izany ?
  • Famatsiam-bola amin'ny fe-potoana fohy mifototra amin’ny faktiora voamarina farany
  • Ho an’ny asa, tolotra, na fanaterana entana efa vita
  • Ahafahana mahazo vola alohan’ny fandoavan’ny mpanjifa ny factiora 
     

Nahoana no misafidy ity tolotra ity ?
  • Mahazo vola mialoha, haingana, nefa tsy mila mihindram-bola vaovao
  • Mamatsy vola ny asanao raha mbola miandry fandoavana avy any amin'ny mpanjika
  • Mampiasa ny faktiora ho fitaovana ahazoana vola

Tombony :
  • Vola azo avy hatrany
  • Tsotra sy haingana ny fametrahana azy
  • Azo ampiasaina amin’ny tsena miankina amin’ny fanjakana na tsy miankina
Image de fonds S3C1P7 Avance sur droit décompte constaté
Crédit de trésorerie

Avance sur Droit de Décompte Constaté

Vahaolana hahazoana vola avy hatrany, mandram-piandry ny fandoavan'ny mpanjifa 

Inona izany ?
  • Fampindramam-bola fohy ezaka mifototra amin’ny zo hahazo vola, voamarina.
  • Miorina amin’ny taratasy ofisialy manaporofo ny vola tokony ho azo
  • Afaka mahazo vola ianao na mbola tsy nandoa ilay mpanjifa

Nahoana no misafidy an’ity tolotra ity ?
  • Avadika ho vola azo avy hatrany ny vola efa voamarina fa ho azo
  • Ampiasaina ny taratasy fanamarinana mba ahazoana ny vola
  • Mamatsy vola ny orinasanao tsy mila miditra amin’ny findramam-bola mahazatra

     

Tombony
  • Haingana
  • Mora apetraka raha vantany vao misy taratasy fanamarinana
     

Mitadiava masoivoho na GAB