« Ny tombony ananan’ny tanora malagasy » arak’i Alexandre MEY, Tale Jeneralin’ny BNI MADAGASCAR

3 November 2017

Nanokana fotoana momba ny fanofanana sy asa ny Alliance française Andavamamba ny zoma 28 jolay 2017, nafantoka tamin’ny lohahevitra « Ny tombony ananan’ny tanora malagasy ». Nasaina nandray anjara tamin’io hetsika ion y Tale Jeneralin’ny BNI MADAGASCAR, Alexandre MEY.

« Harena lehibe ho an’i Madagasikara ny fahamaroan’ny tanora. Misongadina izany amin’ireo tanora mpanao fanatanjaha-tena fanta-daza eran-tany, sy ireo tanora mpandraharaha mamiratra eto an-toerana ka hatrany ivelany. » hoy Alexandre MEY.

« Tsy miandry salan-taona na isan-taona vao mety hanana ny maha-izy azy ny olona. Ny tanora dia afaka manafaingana ny fampivoarana ny maha-izy azy amin’ny sehatry ny asa raha mazoto mikolokolo ny fahaiza-manaony sy mampiroborobo ny fahaizana amam-pahalalany. Zava-dehibe ihany koa ny fitiavana ny asa atao sy ny kolontsaina entina anomezan-danja ny asa ».

Nasian’ny Tale Jeneraly fanazavana ny politikan’ny fitantanana mpiasa eo anivon’ny BNI MADAGASCAR, nomarihiny fa maro ireo tanora mpianatra asa sy vao hanomboka hiasa noraisin’ny banky BNI tamin’ny taona 2016. Manome safidy ny tanora tsirairay amin’ny asa mifanandrify aminy ireo karazana sehatr’asa rehetra misy ao amin’ny BNI MADAGASCAR, araka izay fianarana nataony sy ny fahaizany. Najoro rahateo, tamin’ny taona 2016, ny masoivoho iray ho fampiofanana sy fanarahana ny fivoaran’ireo tanora vao misandratra ireo.