
Efa mihoatra ny 60 isa sahady ankehitriny ny masoivohon’ny banky BNI MADAGASCAR manerana ny Nosy. Notokanana teny Sabotsy Namehana ny masoivohony faha-60, lanonana notronin’ny solombavambahoaka voafidy eny an-toerana, ny lehiben’ny distrikan’Avaradrano ary ny Ben’ny tanànan’i Sabotsy Namehana.
Nivoitra nandritra izany fa ny mba hahafahana manakaiky bebe kokoa ny mpanjifa no antony manosika ity banky iray ity hanokatra masoivoho maro hatrany tahaka izao eny fa na dia amin’ny toerana mitoka-monina sy saro-dalana toa an’i Tanambe sy Maintirano ary Maroantsetra aza.
Ny firoborobon’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny asa tànana sy ny varotra madinika eny Sabotsy Namehana no nahatonga ny banky BNI nanokatra io masoivoho io. Ao anatin’ny filamatr’ity banky ity mantsy araka ny fanazavana ny fanomezan-tànana sy ny tohana atao amin’ireo tantsaha sy ireo manana tetikasa sy orinasa madinika sy salantsalany tiana hivoatra.
Toa ny masoivoho BNI MADAGASCAR rehetra dia ahitana GAB miasa tsy tapaka andro aman’alina ihany koa eo amin’ity masoivoho vaovao etsy Sabotsy Namehana ity.