Tohizan’ny BNI MADAGASCAR hatrany ny ezaka fanitarana ireo masoivoho manerana ny nosy, mba ho fampitomboana ny tahan’ny Malagasy misitraka ireo tombontsoa rehetra atolotry ny Banky sy mba hanakaiky kokoa hatrany ireo mpanjifa.
Nitombo isa indray ny masoivoho BNI ao amin’ny faritra Atsinanana satria dia nisokatra nanomboka ny Alatsinainy faha 11 desambra lasa teo tao amin’ny Kaominina Mahanoro ao Bazar Be, eo amin’ny Cinéma Soa taloha ny masoivoho faha-70 BNI.
Ny fahatongavan’ny BNI MADAGASCAR ao Mahanoro dia manamafy ny finiavany hampandroso ny faritra amin’ny alalan’ny fampiasana ireo tolotra maro isan-karazany izay ananany. Hanome tosika ny tetikasam-pampandrosoana misy ao an-toerana ny BNI MADAGASCAR ary vonona hanome fahafaham-po ny Mpanjifa rehetra tsy an-kanavaka na ny Olo-tsotra, na ireo mpandraharaha, na ireo Orinasa.
Misokatra ho an’ny Mpanjifa isan’andro, ny alatsinainy hatramin’ny asabotsy ny masoivoho. Ny fisintonam-bola kosa , na « Guichet Automatique de Banque ( GAB) » eo anivon’ny masoivoho Mahanoro dia mandeha tsy an-kiato 24ora/24 – 7andro/7, izay ahafahan’ny rehetra maka vola amin’ny alalan’ny ny karatra BNI, VISA ary Mastercard . Ny GAB ihany koa dia mbola ahafahan’ny mpanjifa BNI mijery maimaimpoana ny toe-bola ao anaty kaonty, manao famindram-bola na “virement” ao anatiny kaontiny, mangataka taratasim-bola …
Ny Masoivoho Mahanoro dia vonona handray sy hikarakara ireo mpanjifa rehetra, ary misy tolotra manokana miandry ireo mpanjifa vaovao amin’izao fotoana fisokafana izao.
Tongasoa eto amin’ny Masoivoho Mahanoro.