Maroantsetra no itoeran’ny masoivoho BNI faha-58

3 November 2017

Mino sy matoky ny toe-karena ao amin’ny tànana tsirairay ny BNI MADAGASCAR ary dia nanokatra Masoivoho ao Maroantsetra. Ny tetikady ho an’ny fampidirana ny daholobe ao amin’ny rafitra fitantanam-bola no manainga ny banky BNI hampiroborobo faingana ny tambazotra mba hanakaikezana marina ny mpanjifa rehetra, na olon-tsotra na mpandraharaha na orinasa.

Tamin’ny 22 may 2017 no nisokatra ao Androkaroka Maroantsetra ny masoivoho BNI MADAGASCAR. Mifanaraka indrindra amin’ny filàn’ny mponina sy mpanjifa ao an-toerana ny ora fisokafan’ity masoivoho ity izay mivoha ny alatsinainy ka hatramin’ny asabotsy.

Ahitana vata fisintonam-bola na GAB miasa andro aman’alina sy azo ampiasana ny karatra BNI sy Visa ary MasterCard ihany koa ity masoivoho raitra sy maoderina ity.