BNI MADAGASCAR – Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena : Miray ombon’antoka ho an’ny fampandrosoana maharitra ny sehatra Fanabeazana

3 November 2017

Mpiray ombon’antoka amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny banky BNI MADAGASCAR araka ny fanaovan-tsonia natao teny Anosy ny faha-12 n’ny volana jolay 2017, teo amin’ny roa tonta.

Hisantarana izany, hanavao ny EPP Amboditsiry izy ireo tsy ho ela. Hiantoka ny saran-dalan’ny antsasa-manilan’ny mpampianatra FRAM voaray ho mpiasam-panjakana handray ny fifanarahana momba ny asa aty Antananarivo koa ny banky, araka ny nambaran’ny Tale Jeneraliny, Alexandre MEY.

Manana tolotra marobe ny tompon’andraikitra manokana hanoro hevitra ireo mpiasan’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Ahitana izany mpanolotsaina izany avokoa ny masoivohon’ny BNI MADAGASCAR manerana ny Nosy.