
Toa ny isan-taona dia BNI MADAGASCAR no banky mpanohana ofisialy ny Foara Iraisam-pirenena eto Madagasikara na FIM.
Amin’ity andiany faha-12 amin’ny hetsika FIM ity dia maneho ny tombontsoa rehetra azo avy amin’ny fampiasana ny banky ny BNI MADAGASCAR. Omena vahana manokana amin’izany ny karazan-tolotra manaraka ny hiaka faran’ny teknolojia navondrona ho « Packs BNI ».
Nanamarika Andriamatoa Alexandre MEY, Tale Jeneraly, fa « Tamin’ny taona 2016 dia nitombo hatramin’ny 22% ny tahan’ny fanampian’ny BNI MADAGASCAR ireo mpandraharaha sy orinasa tamin’ny alàlan’ny fampindraam-bola. »
Omena tosika amin’ny alàlan’ny tolotra VINA ihany koa ny olon-tsotra mba hanatanterahany ny tetik’asany manokana.
Amin’ny maha banky Malagay ho an‘ny Malagasy ny BNI MADAGASCAR dia miezaka hatrany manantona bebe kokoa ny vahoaka ity banky ity. Tao anatin’ny roa taona manko dia masoivoho mihoatra ny 25 isa no tafatsangana.