Ambalavao : manamafy hatrany ny ezaka amin’ny fampitomboana ny tahan’ny Malagasy mampiasa banky

3 November 2017

Nitsidika ny masoivoho BNI MADAGASCAR tao Fianarantsoa, ary nihazo ny tànanan’Ambalavao amin’ny làlam-pirenena faha-7 Andriamatoa Alexandre MEY, Tale Jeneralin’ny BNI MADAGASCAR, ary nanamafy ny finiavan’ny BNI MADAGASCAR ho banky akaiky kokoa hatrany ny mpanjifany.

« Manomboka izao dia tombontsoa iombonana no hateraky ny fisokafan’ny masoivoho BNI ao amin’ny tànanan’Ambalavao. Mamporisika ny mpiara-miasa rehetra ato amin’ny BNI ny tenako hilofotra hanantona ny mponina eto Ambalavao, hihaino sy hanome torohevitra mahasoa azy ireo sy hanoro izay fomba tsara indrindra hahafahan’ny tsirairay misitraka ny tombontsoa entin’ny tolotra ao amin’ny banky BNI MADAGASCAR. », hoy Andriamatoa Alexandre MEY nandritra ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny masoivoho BNI vaovao ao Ambalavao.

Nanome voninahitra ity lanonana tao Ambalavao ity ny Solombavam-bahoaka voafidy ao an-toerana, Andriamatoa Christian RAZAFIMAHATRATRA, Ramatoa Christiane RAHANTANDRAIBE EDOUARD, Lehiben’ny Distrika ary Andriamatoa Patrick Bien Aimé RAZAFINDRABE, Ben’ny Tànana Ambalavao,