
« Miditra amin’ny faha-21 taonany izao ny fiaraha-mientan’ny BNI MADAGASCAR sy ny International Golf Club du Rova amin’ny fampiroboroboana ny kilalao Golf.
Nanohana ny fifaninànana Golf RINGER SCORE nanomboka tamin’ny fiandohany tokoa ny banky BNI MADAGASCAR ary nandray anjara mavitrika tamin’ny fampafantarana sy fanatsaràna hatrany ity lalao ity eto amin’ny Nosy.
Ho an’ny 20 taona manaraka dia manome toky hatrany ny BNI MADAGASCAR fa fifaninànana mivoatra sy mihatsara hatrany no atolotry ny RINGER SCORE.
Mitondra anjara biriky amin’ny fikolokoloana ny tontolo iainana ihany koa ny BNI amin’ny fanomezana tànana amin’ny fikarakarana ny làlana mirefy 5 889 m sy lavaka miisa 18 ao amin’ity kianja iraisam-pirenena filalaovana Golf ity.