
Efa tamin’ny taona 2008 no nampahafantatra sy nanome karazana tolotra na « Pack » marobe ny BNI MADAGASCAR. Nasiam-panatsarana hatrany ary natao hifanaraka amin’ny filàn’ny mpanjifa izany ary entina hanomezana fahafaha-po azy ireo sy hanakaikezana azy ireo bebe kokoa.
Ankehitriny, azo isafidianana ny : Pack KAONTY SOA, TONGASOA, MAHASOA, VATOSOA, TANORA ary ny MPIASAM-PANJAKANA. Samy manana ny mampiavaka azy ireo tolotra ireo ary natao indrindra hanamorana ny fiainan’ny mpampiasa azy. Mety azo amin’izany, ohatra, ny fangatahana mialoha ny ampahany amin’ny karama, fiantohana amin’ny fivoahana any ivelany manoloana ireo karazana loza mety hitranga na koa antoka amin’ny fahafahatesana.
Miankina amin’ny filàn’ny tsirairay ny PACK mifanaraka aminy, ny sokajin’ny mpanjifa rehetra dia mahazo tolotra feno sy mahafa-po azy avokoa, satria izay no ezaka nataon’ny banky BNI MADAGASCAR.