699
020 22 290 60
Tolotra vaovao hoan’ny mpiasam-panjakana naroson’ny banky BNI MADAGASCAR ny « Pack Mpiasam-panjakana ».
Latsaka 80% ny saran’ny rehetra amin’ny fitambaran’io Pack io ary izay mpanjifa 1000 tonga voalohany dia mahazo 50.000 Ariary fanampiny ao amin’ny kaonty tahiriny. Ankoatr’izay dia tombotsoa marobe no omena ny mpiasam-panjakana, toy ny fiantohana, raha sanatria ka misy voina mahazo azy na ny ankohonany, ny fampiandramam-bola, ny fahafahana maka karama mialohan’ny fotoana, ny fahafahana mandray izany amin’ny alalàn’ny MVola.
Higoka izany tombotsoa izany avokoa ireo mpanjifan’ny BNI MADAGASCAR manerana ireo masoivohony 62 isa efa misy, ary hitombo isa hatrany.