BNI MADAGASCAR – ISCAM : Fiara-miombon’antoka ho an’ny tanjona tsara kokoa hatrany

3 November 2017

Ny alakamisy 9 febroary 2017 no notontosaina ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miombon’antoka teo amin’ny BNI MADAGASCAR sy ny Sekoly ambony momba ny Fifandraisana sy ny Fandraharahana (ISCAM).

Teo anatrehan’ny mpiara-miasa tamin’izy ireo no niarahan’ Andriamatoa Jaona RANAIVOSON, Tale Jeneralin’ny ISCAM, sy Andriamatoa Alexandre MEY, Tale Jeneralin’ny BNI MADAGASCAR, nanamafy ny finiavan’izy ireo hiara-dalana ho an’ny fanatrarana ny tonga lafatra hatrany.

Nampatsiahy Andriamatoa Alexandre MEY fa sehatra tsy mitsahatra mivoatra sy miroborobo ny banky, noho izany dia mila mpiara-miasa vonona hivoatra hatrany hanaraka izany ny BNI MADAGASCAR. Ireo mpianatra mahay indrindra mivoaka avy ao amin’ny sekoly ISCAM no andrandrain’ny Tale Jeneraly, Andriamatoa Alexandre MEY, ho manda fototr’ilay fampivoarana ny BNI makany amin’ny tonga lafatra hatrany.

Ny Tale Jeneralin’ny ISCAM, Andriamatoa Jaona RANAIVOSON, kosa dia niaiky sy nanamafy fa hitondra fanamaivanana eo amin’ny andavanandron’ny mpiasa rehetra ao amin’ny ISCAM ny tolotra marobe sy fikarakarana atokan’ny BNI MADAGASCAR ho azy ireo.