
Manaraka hatrany ny fivoaran’ny teknolojia ny banky BNI MADAGASCAR entina hanomezana fahafaha-po sy hanakaikezana hatrany ny mpanjifa. Nohavaozina tanteraka ary nampanarahana ny toetrandro ny fitaovana eo anivon’ny banky BNI ho fanamorana ny fiainan’ny rehetra sy fampihenana ny fivezivezena. Izany dia nanomboka ny 10 avrily lasa teo.
Nomena anarana « BNI-NET » ny tolotra ahafahan’ireo manana petra-bola mitantana ny kaontiny, amin’ny fotoana rehetra na aiza na aiza misy azy. Hijerena ny taha-bola ananana, ny vola miditra sy mivoaka, ny fandefasana vola avy amin’ny kaonty iray makany amin’ny kaonty hafa, ny fanarahana ny findramam-bola atao, ny fijerena ny sandam-bola mihoatra amin’ny any ivelany, ny fanafarana taratasim-bola sy ny maro isankarazany, dia azo atao eto anivonan’ny BNI-NET avokoa amin’ny alalàn’ny solosaina na tablety na koa finday. Maimaipoana ny fampiasana BNI-NET hoan’ireo mpanjifan’ny BNI MADAGASCAR.
Etsy an-daniny ny tolotra BNI-Phone sy BNI-Sms ahafahana manaraka hatrany ny fizotry ny kaonty.