
Antsoina hoe « phishing » ireo teknika entin’ny mpisandoka miditra amin’ireo karazana kaonty misy eto amin’ny tontolo Internet ka ahafahany mangalatra sy misoloky.
Indreto misy paika tsotra miisa 4 tsara ho fantatra mba tsy ho tratran’ny « Phishing » :
1. Ovao matetika ny teny miafina na « code d’accès » fidiranao amin’ny BNI-NET.
2. Tahirizo ho anao irery, amin’ny toerana tsy misy mpahalala, io teny miafina io fa aza zaraina amin’olonkafa.
3. Fadio ny mamaly ireo fanontaniana manokana momba ny kaontinao raha misy manontany anao izany amin’ny « mail ».
4. Fadio ny manindry ireny karazana rohy na « lien » anaty « mail » ireny raha mandrisika hanao hiditra amin’ny kaonty BNI-NET mba hanavaozana na hanovana ny momba ny kaontinao. Tsy handefa hafatra amin’ny alàlan’ny « mail » ny BNI MADAGASCAR raha zava-dehibe toa izany no ilàna fanovana.