Manana masoivoho ao Miarinarivo ny BNI MADAGASCAR, io no faha-61

3 November 2017

Mihamafy hatrany ny ezaky ny BNI MADAGASCAR ho fanakaikezana kokoa ny mpanjifa.

Nisokatra ny alatsinainy 31 jolay 2017, ao Miarinarivo, amin’ny faritra mianandrefan’ny Nosy, ny masoivoho vaovao manaraka ny teknolojia faran’ny BNI MADAGASCAR ary ahitana ireo tolotra rehetra efa misy sy ankafizin’ny mpanjifa.  Io no masoivoho faha-61.