
Fiaraha-miasan’ny BNI MADAGASCAR sy ny MVola
Ireo tombotsoan’ny Banky sy ny MVola miaraka
Ho fitsinjovana ny mpanjifa, vita sonia ny zoma 29 septambra 2017 ny fiaraha-miasa eo amin’ny BNI MADAGASCAR, ilay banky Malagasy voalohany, sy ny orinasa TELMA mahakasika ny « Bak to Wallet » na « Wallet to Bank », izay mampitambatra ho iray ny kaonty MVola sy ny kaonty any amin’ny banky, amin’ny sarany maimaipoana.
Fomba iray fandoavam-bola tsotra indrindra ny MVola, tsy voatery hitondra lelavola intsony, Fito taona izao no efa miara-miasa amin’ny tranombarotra samihafa, tobin-tsolika, toeram-pisakafoanana ny TELMA.
Hanamorana, hanakaikaizana, hanafainganana ny fahazoam-bola ary koa fanazarana ny mpanjifa hampiasa vola amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao, hoy Henri RABARIJOHN, Filohan’ny filankevi-pitantanan’ny orinasa BNI MADAGASCAR, no antony nanaovana izao tolotra manokana izao.
Afa-pahasahiranana amin’ny lafiny rehetra noho izany ny mpanjifan’ny BNI sy TELMA satria dia miisa 62 ny masoivoho BNI, ary 90 ireo vata fisintonam-bola (GAB), ny toeram-pivarotana MVola kosa dia efa mahatratra 9000 manerana ny Nosy.