
Lalao Tombola Mpiasam-panjakana : Andriamatoa Xavier MANDRAISOA no notolorana ilay moto tao amin’ny BNI Mahajanga
« Ny marainan’ny 12 janoary 2017, Andriamatoa Xavier MANDRAISOA, mpanjifan’ny BNI MADAGASCAR ao Mahajanga no notoloran’Andriamatoa Gervais ATTA, Talen’ny sampana fampandrosoana ara-barotra, ny loka moto.
Lanonana tsotra no nentina nisaorana ireo rehetra nandray anjara tamin’ilay lalao Tombola natokan’ny BNI hoan’ny mpiasam-panjakana, taorian’ilay hetsika « Herinandron’ny Mpiasam-panjakana ».
An’arivony tokoa mantsy ny mpiasam-panjakana nisitraka ny tombotsoa manokana omen’ny banky BNI ny mpiasam-panjakana nanomboka ny volana septambra 2016 amin’ny alalàn’ny fihenam-bidy 80% eo amin’ny tolotra maro samihafa voatokana ho azy ireo.
Manamafy ny finiavan’ny banky BNI hanakaiky kokoa sy hanome fahafahapo ny mpanjifany ny hetsika toy izao. Raha tsiahivina dia misy masoivoho BNI MADAGASCAR anakiroa izao ao amin’ny tanànan’i Mahajanga. Ahitana GAB miasa andro aman’alina azo ampiasana ny karatra VISA sy MASTERCARD avokoa ireo masoivoho ireo.