Tolotra fampindramam-bola maro samihafa

3 novembre 2017

Handeha vakansy ihany izahay ! Azoko ihany ny fiara nirako hatrizay ! Azonay ilay trano !… Izany no horakorak’ireo mpanjifa ny tolotra maro samihafa amin’ny fampindramam-bola BNI.

Ny tolotra VAIKA izao dia natao ho an’ireo te hividy fiara na moto vaovao na efa niasa, amin’ny fepetra miavaka. Ny tolotra MALAKY sy VINA kosa dia ahafahan’ny tsirairay manatenteraka ny faniriany, ohatra hividy fitaovana fampiasa an-dakozia, sy ny maro hafa, na koa hanao vakansy miaraka amin’ny fianakaviana.

Misy hatrany ny vahaolana atolotry ny BNI MADAGASIKARA ho an’ny mpanjifany manam-pikasana, ary ny hetahetan’ny mpanjifa rehetra no ezahina tanterahina amin’ny alalan’ny tolotra isankarazany.