Manohana ny fandaharana Clash Bacc ny BNI MADAGASCAR ho fampivoarana ny fomba fanabeazana

3 November 2017

Banky iray manohana akaiky ny fivoaran’ny fomba fanabeazana eto amin’ny Nosy ny BNI MADAGASCAR. Mpanohana ny Clash bacc andiany faha-3 ny banky BNI. Atao hira sy miady rima avokoa ireo karazan-desona tokony hianaran’ireo mpiadina amin’ny fanadinana Bakalôrea mba ho mora ny fitadidiana azy. Tanjona amin’izany ny fampitomboana hatrany ny salan’isan’ireo mpiadina ho afa-panadinana.

Maniry ny hanampy amin’ny fanabeazana ara-bola ny tanora malagasy ihany koa ny BNI MADAGASCAR. Voalohany amin’izany ny fampianarana ny tanora hahay hitantana ny volany arakaraky ny tanjony amin’ny fiainana sy ny zava-misy ara-toekarena sy ara-bola eto amin’ny firenena. Mametraka ny tolotra « Pack Tanora » noho izany ity banky ity ho an’ny tanora latsaky ny 25 taona miaraka amin’ny fihenam-bidy mahatratra 80% raha miohatra amin’ny kaonty tsotra. Omena karatra Valiha ny tanora ahafahany maka vola amin’ireo GAB BNI miisa mihoatra ny 80 manerana ny Nosy. Manana kaonty MVola avy hatrany ihany ko aizy ireo ary afaka manokatra kaonty fitahirizam-bola maimaimpoana.