BNI MADAGASCAR, manohana akaiky ny hetsika « Salon du Chocolat et de la Gourmandise »

3 November 2017

Tsy mitsahatra mandray anjara amin’ny hetsika maro samihafa eto amin’ny Nosy ny BNI MADAGASCAR. Manohana akaiky ny « SALON DU CHOCOLAT ET DE LA GOURMANDISE », ny asabotsy 8 aprily 2017.

Maro ny antony nanosika ny BNI MADAGASCAR hanohana irty hetsika ity.

Voalohany, Fikambanam-behivavy mpanao asa soa  « Wednesday Morning Group » no tompon-kevitra sy mpikarakara, mitsinjo manokana ny vahoaka sahirana ara-pivelomana ity fikambanana ity ary mahazo tombony manokana amin’ity andiany ity ireo mponina sahirana eny amin’ny manodidina an’Ankorondrano, toerana misy ivo-toerana BNI natokana ho fandraisana ny mpandraharaha ary masoivoho ho an’ny olona manam-pahefana.

Faharoa, manaraka akaiky ireo mpampoly kakao ny BNI MADAGASCAR ao Ambanja, ary manampy amin’ny fanondranana ny kakao malagasy.

Fahatelo, zava-dehibe ny hahalalan’ny mponina malagasy bebe kokoa momba ny vokatra sôkôlà malagasy, izay efa tsara toerana tokoa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ary manome tosika amin’izany ity hetsika ity.