BNI MADAGASCAR miaraka amin’ny FHORM : Firindran’ny asa ho fanatsarana ny sehatry ny fizahan-tany

2 October 2017

Ny zoma 3 marsa 2017, manoloana ny Fivoriambe ataon’ny Mpikambana ao amin’ny Federasionan’ny Mpandraharaha eo amin’ny sehatra fandraisam-bahiny sy sakafo eto Madagasikara (FHORM) ao amin’ny Hotel Colbert Antaninarenina, BNI  MADAGASCAR dia naneho tamin’ny fomba ofisialy ny fanohanany ny sehatry ny fizahan-tany eto amin’ny Nosy. Noho izany dia Mpanohana ny hetsika iraisam-pirenena momba ny fizahan-tany malagasy (ITM) izay natao ny volana jona lasa teo ny banky BNI MADAGASCAR.

Taorian’ny fanaovan-tsonia nataon’Andriamatoa Alexandre MEY, Tale Jeneralin’ny BNI MADAGASCAR, sy Ramatoa Rita RAVELOJAONA, Filohan’ny FHORM, dia nipetraka tamin’ny fomba ofisialy ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta.

Manolo-tena hanome fikarakarana manokana ho an’ireo mpikambana ao amin’io federasiona io ny BNI MADAGASCAR. Toro-hevitra, fahaiza-manao, fampiofanana isankarazany no entin’ny banky BNI hampiroboroboina hatrany ireo mpiasa miisa 6500 ao amin’ny FHORM, miampy ireo orinasa 300 isa mpikambana ao amin’ny FHORM.

Hisy fanohanana ara-teknika sy ara-bola ihany koa avy amin’ny BNI MADAGASCAR ho an’ny hetsika izay mbola kasain’ny FHORM hatao.