Sao mba ianao no ho mpandraharahan’ny ampitso.
Miara-dia hatrany amin’ny orinasa ny BNI MADAGASCAR ary mamporisika manokana ny tanora hiditra amin’ny sehatry ny fandraharahana.
Ireo mpandraharaha lahy sy vavy latsaky ny 40 taona ka mampiasa petra-bola tsy latsaky ny 60 tapitrisa Ariary no asaina handray anjara sy hisoratra anarana eo anivon’ny BNI MADAGASCAR. Fantatra ho omen’ny banky BNI fampindramam-bola tsy misy zanabola entiny mampivoatra ny tetikasany ny orinasa mpandresy.
« Anisan’ny paikadin’ny BNI ny manohana ireo orinasa madinika sy salantsalany, fototry ny fampandrosoana ny toe-karena eto an-toerana. Resen-dahatra amin’ieany indrindra ny tanora mba hanana kolotsaina mifantoka amin’ny fandraharahana. Tsy any amin’ny lafiny vola ihany ny fanampian’ny BNI MADAGASCAR, fa eo indrindra koa ny torolalana momba ny fitantanana, fikarohana, fitadiavana lalam-barotra, mpiara-miombon’antoka. Na eo aza ny vola, mazava loatra fa tsy handroso ny orinasa raha tsy ampy ny fahaiza-mitantana. » hoyAndriamatoa Ndrina RALAIMANISA, Tompon’andraikitra eo anivon’ny BNI MADAGASCAR.